Dikan'ny teny : takatra

Hampiditra dikany vaovao
1 t. ih.: Tratran'ny tanana, azon'ny tanana raisina: Tsy takatro io voankazo io fa avo loatra. / Vakin'io zaza kely io izay rehetra takany. ? Mety ho tratran-javatra atsipy na atoraka: Ho taka-toraka va re iry trano mena-mena, iry? Mety ho vita noho ny fananana saina, vola: Lafo loatra izany ka tsy takatry ny volako - t.i.f.: Takarina, atakatra, voatakatra, tinakatra / manakatra, fanakatra, mpanakatra / anakarana, fanakarana / mifanakatra 1 mahatakatra. Ahitsio
2 a.: Voronamitovitovy habe amin'ny vantotr'akoho saingy lava vozona sy lava vava, nefa ny bikan'ny lohany no manaitra avy hatrany fa tazana mandrakariva toa fisaka, nefa ny marina dia ny volony no somary lava eo ankatony sady mitsangan-dava misandrahaka; ny volon' endriky ny tenany rehetra dia manja vasoka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel