Dikan'ny teny : tana

Hampiditra dikany vaovao
1 a. sady mt. ih.: Tazona, fihina, geja amin'ny tanana. • t.i.f.: Tanana, atana, voatana / mitana, fitana, mpitana/ itanana, fitanana/ mahatàna 1 tantàna 1 tantanana, atanana, voatanana / mitantana, fitantana, mpitantana. Ahitsio
2 a.: Biby mandady, irainjehy na 20 sm eo ho eo ny halavany, manan-toetra manokana fa afaka miovaova volo arakaraka ny toerana misy azy ka sarotra avahana amin'ny manodidina — Ny lahy aminy dia atao hoe tanalahy ary ny vavy tanavavy, izay mbola manana anarana maso arakaraka ny maha-tanora na zokinjokiny azy: Soamarandrana, Kamora, Kamaitso, Kam arabe. * Ohab.: Manao dian-tana: jerena ny aloha, todihina ny aoriana: entina hilazana ny olona malina, fatra-pitandrina amin'izay rehetra ataony. Ahitsio
3 a.: Ilazana ny olona raha miteny momba azy ihany na manao asa ho azy ihany izy: Miheui-tena ho tapi-pahaizana Rangahy io. / Namono tena, hono, Rabe. / Tsy naniraka olona izy fa ny tenany mihitsy no tonga. • Ny vatana: Mararirary be ihany ny tenako rehetra. • Ny maha-izy ny zavatra iray; ny votoatin-javatra iray: Azo sarahina roa ny tenon' ny rano. ? p. mt.: Tokoa, marina, mihitsy: Tana volamena ity fa tsy ankosotra akor?. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel