Dikan'ny teny : tantana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fizarana zavatra amin'olona maro samy kendrena hanana anjara avokoa. * Fizarana vola na sakafo amin'olona maromaro nandray anjara tamin'ny fandevenana na famadihan-drazana na lanonana na asa tsotra: Mahafinaritra fa uita tsara ny tantana. ? Fandrin-javatra, lenta: Tsy mitovy tantana ny tokotany. * t.i.f.: Tantanina, voatantana / mitantana, fitantana, mpitantana / itantanana, fitantanana / mahatantana. ¶ M.h.: Mitouy tantana, mitovy rano, mitovy saranga, mitovy lenta, mitovy lemba, mitovy soroka, marina, marin-drano, marin-tampona, marin-toerana, ankamarenana, lemaka, fandrin-drano, ranoray, bambaray, mitohy nonoka. Ahitsio
2 a.: (Endrika verindroan'ny teny hoe: "Tana"): Fandraisana olona amin'ny tanana ka entina mamindra miaraka amin'ny tena. (Marihina fa efa nova toerana ny tsindrim-peon'io teny io amin'ny fiteny mahazatra ka nanjary tàntana). - t.i.f.: Tantanana, atantana, voatantana / mitantana, fitantana, mpitantana / itantanana, fitantanana / mahatantana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel