Dikan'ny teny : tantely

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavatra mamy, manimanitra ary vonivony, ataon'ny karazam-bibikely izay atao hoe renitantely avy amin'ny vovo-bonin'ny voninkazo tsentsefiny: Mamy ohatra ny tantely. • Anarana ilazana ilay bibikely mihitsy koa: Ny andrian-tantely no arahin'ny tantely rehetra. - t.i.f•: Manantely. - F.-p.: Tanteiy afa-drakotra: enti-milaza ny zava-tsoa izay tsy tsara tandrina, ka itsabahan'ny olona rehetra, na adala na hendry. l Tantely amam-bahona: enti-milaza ny soa sy ny ratsy izay indraindray hita mifanila toerana eto amin'ny fiainana. / Vary amin-dronono tondrahan-tantely: enti-milaza zavatra tonga lafatra ihaonan'ny soa sy ny tsara. * Fiten.: Mamy ny tantely fa misy faikany, mamy ny fary fa misy fiakany...: entimilaza fa na inona na inona zava-tsoa eto an-tany dia misy tsininy avokoa, ary izany dia avy amin'ny toetrany tsy lavorary. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel