Dikan'ny teny : tany

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Teny tranainy ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian'io teny io rahateo (tamin'ny alalan'ny tsofoka om: t - om - any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon'antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin'ny tomany ny hirahiran'ny antitra noho ny fibosesehan'ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin'ny fiainany la-sa. Ahitsio
2 p. mt.: Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina. Ahitsio
3 fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho. Ahitsio
4 a.: Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan'ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly. ? Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon'io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian'ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka. ? Tanety (mifanohitra amin'ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina. ? Faritany: Madagasikara dia anisan'ny tany mafana. ? Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo. ? Ny olona miara-mipetraka amin'ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra. - F.-p.: Tany ama-monina: ny fitambaran'ny olona rehetra miara-miaina amin'ny faritra iray. / Tany fotsy: tany fotsifotsy noho ny sokay be ao aminy. / Tany fasika: tany be fasika. / Tany dilatra na tany ditra: tany vonton-drano, fotaka. / Tany firina: tany talaky rivotra •na mando lava ka tsy mahazo ny herin'ny masoandro. / Tany kotra: tany efa lany tsiro ka avala indray ho tonga tany vao. / Tany lava volo: tany anirian' ahitra lava be, tany tsy voavoly. / Tany lonaka: tany tsara mahavokatra. / Tany mainty: tany maintimainty ny volony noho ny fatimbiby sy zava-maniry lo hatry ny ela ao anatiny. / Tany maintimolaly: tany nambolena ary nahavokatra hatry ny ela. / Tanimanga: karazan-tany azo pondipondena tsars rehefa lena, tsy tantera-drano koa, ka tsara hanaovans biriky na talla. / Tantmangampoza: karazan-tanimanga menamena volo. / Tany maty: tany nanokanana fahiny ny mararin'ny nendra. / Tany mena: tany menamena volo noho ny vy be ao aminy. / Tany mondra: tany mora potsipotsehina ary lonaka tsara saingy mora lany tsiro koa rehefa volena tsy ela akory. / Tany mora: tany fotsifotsy izay atentina ny handrina na ny faritra hala amin'ny tena noho ny finoanoam-poana. / Tanirauo: tany fotsifotsy ampiasaina handalorana. / Tany uaky holatra: tany vao asaina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel