Dikan'ny teny : taona

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fotoana ihodinan' ny tany manodidina ny masoandro, na fotoana ahatafahodinan'ireo fizarana efatra: lohataona, fahavaratra, fararano, ary ririnina, ka iverenany amin'ny niandohany indray; ny taona iray dia misy volana vazaha roa ambin' ny folo, na herinandro roa amby dimampolo na andro dimy amby enimpolo sy telonjato. Ny taons malagasY (roa ambin'ny foin volana izay misy valo amby roapolo andro mahery kely tsirairay avy) dia fohy noho ny taona vazaha ka noho izany no iantsoana ny taona malagasy hoe tanna miantsorona: Firy taona izao ny zanakao lahimatoa? • Marika na isa ilazana ny tanna iray izay isaina hatramin'ny vanin'andro lehibe iray eo amin'ny tantara (oh. ny mariky ny isan'ny tanna ampiasain'ny ankamaroan'ny firenena ankehitriny dia hatramin'ny nahafatesan'i Kristy): Taona 1960 no nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantenany indray. - Taona any, taona ambony, raha au), taona: amin'ny tanna ho avy. / Tao-na ito: amin'ity taona hitsahina ity. / Taon-dasa na Tao-na its?: tamin'ny taona farany tao. / Taona tarnin' ny tanna talohan'ny farany tao. (Ohatra, raha taona 1974 taona ito, ny taona 1975 dia atao hoe: tanna any na tanna ambony na raha avy taona; ny 1973 kosa taon-dasa na tanna its?, ary 1972 taona ir?). / Taon-jina na taom-bokatra na tao-mora: taona nahazoana vokatra betsaka. / Taon-tsarotra: taona tsy nahazoana vokatra firy noho ny tondra-drano, havandra, valala, tsy fisian'orana ka mahatonga ny fiainana ho lafo na sarotra. / Mialin-taona: enti-milaza zavatra navela haharitra herintaona, toy ny henam-pandroana izany, izay amelàna hohanina amin'ny fandroana manaraka. / Nitoetra tany folo tao-maty izy: ilazana fepotoana heverina ho ela loatra nijanonan'olona tany amin'ny toerana iray. / Tsy mandika taona: tsy tapaka misy isan-taona isan-taona. Ahitsio
2 a.: Tatitra entana na zavatra hafa ho amin'ny toerana hafa. • Fitarihana olona hafa hanaraka ny hevitry ny tena. - t.i.f.: Taomina, voataona / mitaona, fitaona, mpitaona / itaomana, fitaomana / mahataona. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel