Dikan'ny teny : taratasy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavatra amboarina amin'ny zavamaniry na voridamba izay atao koba dia tampisahana manify dia manify, ka ampiasaina hanoratana: Manify loatra ity taratasy ity ka tsy azo anoratana. / Rauin-taratasy. • Soratra ifandefasan'ny olona roa mba hifamangiana, hifampilazana vaovao na hifampiraharahana: Nandefa taratasy tany amin'i dadatoa aho mba hamangiako azy tamin' ny nahafatesan'ny zanany. 1 Teny ilazana ankapobeny ny soratra rehetra Raina ho fanamarinana ny fananan-javatra na fahavitan-draharaha iray: Ento daholo ny taratasy rehetra momba ny aotomobilina. - F.-p,: Vola taratasy: vola vita amin'ny taratasy fa tsy mba amin'ny metaly. / Taratasim-bola: taratasy solombola, izany hoe azo andraisam-bola any amin'ny tranom-bola. / Vazaha taratasy: olona manana ny zon'ny Vazaha ara-taratasy fotsiny fa hafa firenena. / Mahay taratasy: mahay mamaky sy manoratra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel