Dikan'ny teny : tay

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Loto maimbo mivoaka amin'ny vavafivalanana, zay tsy inona fa faika tsY levona avy amin'ny sakafo nohanina: Lava-tay. ? Loto amin'ny...: Tain-koho, taintsofina. ? Faika: Tain-kafe. - F.-p.: Tai-maso: tsiranorano fotsifotsy manjary mivaingana eo amin'ny sisin' ny maso rehefa mifoha, amin'ny maraina. / Taim-bankona: Hofakofa-kazo manify sy mihorongorona avy amin' ny hazo vankonina. / Taimbodina: enti-milaza ny akoho kely na zanak'ondry izay mbola miraikitra amin'ny vavafivalanany ny maloto avy aminy. / Taim-by: ilazana ny harafesina na tain-drendrika avy amin'ny vy. / Tai-moty: fivalanana mafy sy boribory toy ny tain'ondry. / Taimboraka: 1) ny sakafon'ny omby na ny ondry mbola hi-ta ao amin'ny rorohany rehefa vonoina izy; 2) zavatra tsy misy vidiny. / Tain-delo: zavatra fotsifotsy mitambatra manentsina ny orona, firingan-delo efa maina. / Taindrabaraba: ilazana ny taimboalavo. / Tain-drano: dilatra miraikitra amin'ny tena raha avy mandro amin'ny rano be fotaka na dilatra miraikitra amin'ny zavamaniry sy ny vato rehefa misintona ny rano. / Tain-droroha: diky na fivalanana tavela ao anaty tsinaiben'ny omby na biby vonoina rehefa rasaina. / Tai-nify: loto avy amin'ny zavatra nohanina mipetaka amin'ny vatan'ny nify. / Tain-kankana: tany mivongambongana na miangonangona avy amin'ny kankana. / Tain-kena: zavatra mitsiranorano voahidy ao anatin' ny tsinay kely amin'ny biby vonoina. / Tain-kilanjy: ny faika miafitra amin'ny fanambanin'ny tavy fifohan' ny mpifoka rongony. / Tainkoho: ny loto hita amin'ny hohon-tongotra sy tanana. / Tain-tany: ranontany avy amin'ny lavaka nohadina na noloahana. / Tain-tatatra: tany na fotapotaka nesorina avy amin'ny lalan-driaka na lakan-drano manondraka ny tanimbary. / Tain-toaka: ny faika miafitra amin'ny fanasitiliana fanaovan-toaka. / Tain-tombana: rano mivoaka ny tanimbary noho ny fahasimban'ny bainga niaro azy. / Tain-tsarika: ny potipotiky ny rmdra na silatsilaky ny kiran-dratsy nesorina tamin' izy ireo, nialoha ny handrariana sy hanenomana azy. / Tain-tsofa: ny vovoky ny hazo avy amin'ny nanatsofana azy./Tain-tsigara: ny lavenona mihintsana avy amin'ny sigara fohina. / Tain-tsofina na tain-tadiny: loto mitambatra mavomavo ao anaty sofina. / Tay tsy raha: zavatra tsy misy antony, tsinontsinona. / Homan-tain'orana: enti-milaza ireo olona fohy kely tsy mitombo halavana. / Tay be am-bauan'ny mpamosauy: teny ilazana ny zava-dratsy maharikoriko sy maloto eo am-pitantarana ny loza mety hihatra. / Tay manala sasatra: ilazana ny olona kamo ka manararaotra ny fandehanana mivalana any an-tranokely mba hakana ai-na, olona mijanona ela loatra ao an-tranokely rehefa mivalana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel