Dikan'ny teny : teboka

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Mari-pijanonan-tsoratra (.) ampiasaina rehefa mamarana fehezanteny. - F..p.: Teboka amam pain go (;): mari-pijanonan-tsoratra: -a) entina manavaka fizarazaram-pehezanteny feno fa tsy tanteraka: Auy hatrany dia nanatona andrainy ilay zaza mpandany; niankohoka teo an-tongony dia nifona taminy -b) mba hampisaraka tapa-pehezanteny izay efa samy misy faingo: Toy izao no fipetrakay: teo varatra, i dada; teo atsimo, i neny.../ Teboka roa (:): mari-pijanonan-tsoratra fampiasa -a) eo alohan'ny fitanisanjavatra: Misy efatra ny zoron-trano: ny zoro firarazana, ny zoron'akoho, ny zorom-barauarambe, ny zorombaravarankely -b) alohan'ny fehezanteny manazava na mamelabelatra hevitra na teny iray eo aloha: Ny nanaovako izany dia izao: tsy riako ho fantatry ny olona aho -d) raha mamerina teny nolazain'olona: Hoy Andrianampoinimerina hoe: "Ny ranomasina no ualampariako". / Teboka manontany (1): fampiasa eo aorian'ny fahezanteny manontany: I-za no anaranaoS Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel