Dikan'ny teny : tefy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fanamboarana vy ho zavatra: Ratsy tefy ity rojo ity izany. 1 h.o.: Famolavolana: Aleo loha tsara tefy toy izay loha nosesefana izao karazam-pahaizana rehetra izao. i t.Lf.: Tefena, atefy, voatefy 1 manefy, fanefy, mpanefy 1 anefena, fanefena 1 mahatefy / tefitefy. - F-p.: Tefy be mivaona: taozavatra maro vita ara-tefy somaradimbana sy be angesongeso; enti-milaza koa fitsarana tsy marina, na firaisan-tetika ahitana olona ma-ro voaringodringotra. / Tefy maika: tefy kongorevo, taozavatra vita tsizarizary mamonjy tavan'andro fotsiny. / Tefy monta: fanefena vy izay tsy nodorana fa novelezina amin'izao; enti-milaza taozavatra natao izay hahavitana azy fotsiny, tsy misy vidiny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel