Dikan'ny teny : tehina

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Tapa-kazo lavalava namboarina ho amin'ny dia: na hanohantohanana ny famindra, na hitsapatsapana ny lavadavaka eny amin'ny lalana, na hikapohana biby sendra ny tena... iti t.i.f•: Tehenana, tehenina, atehina, voatehina, tafatehina 1 mitehina, fitehina, mpitehina 1 itehenana, fitehenana 1 mahatehina. - F.-p.: Tehin-kiho: fanaovana ny tanana toa manery na mitehina ny valahana. * Ohab.: Tehin-kiho am-piakarana: tsy haingo fa tohan' aina: enti-milaza fa misy fisehoan-javatra ivelany izay toa haitraitra fotsiny, nefa hay tena zavatra ilaina mihitsy. ¶ M.h.: Tabaka, kibango, langilangy, kanonta, longy, firitsoka, kipikipy, valavala. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel