Dikan'ny teny : tenda

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Faritra amin'ny tenan'ny olombelona sy ny biby mampitohy ny vatana amin'ny loha ary idinan'ny sakafo avy eo am-bava: Misambotra ganagana amin'ny tendon y, / Marary tenda izy. • p.t.: Sarotra an-kanina: I-ty koa dia efa tenda izaitsizy. (Jar. Tendana). - t.i.f•: Tendana. - F.-p.: Be tenda: enti-milaza olona mpamosibosika, mpandrapadrapaka rehe fa mihinana. / Kamo be tenda: olona kamo tsy te hiasa nefa loza raha hihinan-kanina. / Tenda uoloina na volovoloina: tsy mifidy harapaka. / Matoky tenda ka manao uary aman-taolana: matoky tena tsy mifanerana. / Ganagana entina amin'ny tendany: olona tsy manan-tsafidy fa entin'ny sasany amin'izay tiany hitondrana azy. / Be tan-da, tenda be, tenda an-kanina, tendana: ilazana ny sarotra an-kanina, izany hoe sady lian-kanina no mahalany betsaka. / May ny tenda: mangetaheta izaitsizy. J Ma-ka tenda: enti-milaza fofona manamaina ny aty tenda, na hanina nohanina mampahasiatsiaka ny aty tenda. / Vady mifankahita tenda: mpivady mifankahalala toetra tsara. * Ohab.: Matoky tenda ka manao vary aman-taolana: matoky tena be loatra, ka manao zavatra amin-kasahiana mihoa-pampana. J Tendan'akoho latsaka orana: enti-milaza olona mazoto ho-mana izaitsizy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel