Dikan'ny teny : tendro

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny ilany ambony indrindra, ny tampony amin' ny zavatra iray lava na avo: Tapaho ny tendron'io tady io. / Misy sarin'akoholahy er? an-tendron'ny tranon-dakolosy. 1 Tendroina, voatendro, tinendro / manendro, fanendro, mpanendro / ariendroana, fanendroana / mitendro. * F.-p.: Tendron'orona: ny faritra mandroso indrindra amin'ny orona. J Tendrontaua: Ny taolana na faritra mivohitra amin'ny tava eo ambany kelin'ny maso, taolan-tava. / An-tendro-molotra: enti-milaza filazana teny na fanaovana asa soa ety ivelany fotsiny fa tsy latsaka anaty; enti-milaza koa teny toa efa ao am-bava ao fa tsy tafavoaka. / Mandray an-tendrony: tsy mbola mahalala izay tena antony akory dia mitsara sahady. / Eny amin' ny tendrony: eny amin'ny laingony avo indrindra amin'ny hazo. / Tany an-tendrony: tany am-boalohany, tany am-piandohana. Ahitsio
2 a: Mari-tsoratra (') fanao eo amin'ny zanatsoratra misy tsindrimpeo: lalàna. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel