Dikan'ny teny : tendrombohitra

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Havoana lehibe hita mandondona avo sady sarotra anihina, - t.i.f.: Manendrombohitra. - F.-p.: Tandauan-tendrombohitra: tendrombohitra mitandavana mitohitohy hatrany. / Tangoronan-tendrombohitra: tendrombohitra mitangorongorona betsaka. * Ohab.: Tendrombohitra fandrian'ny zauona;lohasaha fandrian'ny moka; sakeli-drano fandrian'ny mamba; izaho, kely fandrian'ny saina: enti-milaza fa samy manana ny andrafkiny avy ny olona, na koa enti-milaza ny mahaambony ny olombelona, izay kely sy bitika miolotra amin' ny zavaboary nefa mihoatra azy ireo noho ny sains,. / Tendrombohitra sy zauona: mihaona toa tsy hisaraka, misaraka toa tsy hihaona: enti-milaza ireo olona velonkorana er$ rehefa tafahaona, nefa rehefa tafasaraka tsy mifampahatsiaro akory, na dia an-taratasy tua. / Tendrombohitra tsy ilaozan'ambiaty, tanĂ na maro tsy ilaozan'adala, kabary be tsy ilaozan-diso: entina miala tsiny ka ilazana fa amin'ny zavatra maro atao tsy maintsy misy izay tsy metimety, misy kilemany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel