Dikan'ny teny : tery

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Tsy malalaka ka toyny voageja ny zavatra ao anatiny: Tery ity kiraroko ity ka mahafadiranovana ahy. 1 Voageja azon'ny hakelezan' ny toerana misy ny tena, na akanjo anaovana: Tery ny uaiahako amin'ity akanjo ity. ~ Poritra: Terin'ny uahoho ny tanany. 1 h.o.: Poritra, sahirana mafy: Samy tery amin'ny raharahany ny olona. / Terin'ny uolan'olona izy ka mamono tena miasa. ? a.: Fampanaovana ankeriny tsy araka ny sitrapo: Tery no nanekeko izany. ~ Fanapotserana na famihinana ny tohatr'omby hivoahan'ny ronono: Ataouy tery omby ririnina ka atao izay tsy hahabotry ny zanany ary tsy hankahia ny reniny (Oha b. ), - t.i.f.: Terena, atery, voatery, tinery / manery, fanery, mpanery / anerena, fanera-na / mitery, fitery, mpitery / iterena, fiterena / mahatery / teritery / miteritery. - F.-p.: An-katerena: ilazana toerana na lalana ety, na koa fifanizinana tsy ahafahana mihetsika tsara. / Tery hatoka: famoretana ny hatoka (jar. tery setra). / Tery helika: fomba fitafin'ny vehivavy ny lambany rehefa misaona: tsy asampina eny an-tsoroka ny tendron-damba fa asisika ao ambany helika. / Tery setra: fanaovana an-keriny sy angovy. / Tery tenda: kely ny lalan-kanina ao amin'ny tenda. / Tery tsoka: fanaovana izay hlvoahan'ny tsoka ao anaty taolana. / Tery vay manta: fiteny entimilaza fanerena tsy azo ihodivirana na angatahana andro; fampiasana fomba an-tery setra hahazoana izay lazaina. / Tery votsotra: entitnilaza ny olona adaladala izay mandritra ny ronon'omby tanteraka eo am-piterena. / Tery vozona: fanerena tsy araka ny sitrapo fa an-tery setra. / Tery azon-tery: ilazana fahasahiranana indroa misesy, fahavoazana miampy fahavoazana. / Tery mitovy tery: enti-milaza fanerena mitovy ny ilany sy andaniny, / Vady an-tery: fanambadiana tsy araka ny sitrapo. * Ohab.: Tery omby ririnina ka atao izay tsy hahakely ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany: enti-milaza fltsimbinana olona na zavatra roa tonta, ny andaniny sy ny ankilany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel