Dikan'ny teny : tetezana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Rafitra (hazo na vato na vy) atao hampitohy ny laniny roa amin'ny hady na renirano iray. - F.-p.: Teteza-mita: fotoana andalovana raha misy toejavatra miova ka tsy vita avy hatrany ny fiovana fa tsy maintsy mandeha miandalandalana. / Tetezam-bava: filazana amin'ny olona iray, ary dia io kosa milaza amin' ny hafa. / Tetezan-drano: lakan-drano. / Tetezan'olona: iraka alefa hitondra ny taratasim-panjakana ao amin' ny tanĂ na iray, ary ny ao kosa indray manatitra azy any amin'ny vohitra hafa, ka toy izany hatrany. / Tetezan-ka- nina: sakafo masaka mitandahatra mitohitohy eny andalana. / Tetezan'orona: ilay rirana hatreo ambanin' ny handrina ka hatreo amin' ny tendron'orona. J Tetezana tsy efa: toe-draharaha tsy mety vita sy maharitra ela. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel