Dikan'ny teny : tetika

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fandidiana na fanapatapahana zavatra ho madinika, na ny zavatra voatapatapaka na voadidy madinika toy izany: Tetika mangahazo. / Fandinihan-javatxa amin'ny antsipiriany: Tetikevitra. / Nahomby ny tetiky ny fokonolona tamin' iny. / Fikasana hanao zavatra efa nodinihina tsara na-tao maty paika: Betsaka ny tetikay ny amin'io tany io. 1 Firaisan-tsaina hanao zavatra, izay saika matetika ratsy; fiokoana: Teti-be. - t.i.f.: Tetehina, atetika, voatetika, tinetika 1 mitetika, fitetika, mpitetika / itetehana, fitetehana 1 mahatetika / tetitetika / matetika. - F.-p.: Tetik'ady: hevitra voalamin'ny mpitari-tafika ho enti-mandresy ny fahavalo. / Teti-bato: tetika manao izay hahazoana betsaka ho an'ny tena amin'ny farany. / Teti-be: firaisana hanao ratsy. / Teti-dela: fahaiza-mamitaka amin'ny lahateny a-tao. / Teti-dratsy: hevitra feno haratsiana hamelezana ny hafa. / Teti-dromotra: fifandisoan'ny tetika, ka ny an'ny tena no efa noheverina hahavoa, kanjo ny ankilany indray no naharesy. / Tetik'ala: fisavan-dalana alo= han'ny hidirana ny ala. / Teti-karena: famakafakana ny miditra sy ny mivoaka amin' ny haren'ny tena. / Tetik' emboka: fiaraha-mihevitra amin'ny habetsahana na hakelin'ny vola hiaraha-mandoa hanaovan-javatra. / Tetipohy: enti-milaza ny mangahazo lena izay tetehina madinika no fomba fahandroana azy. J Teti-potsy: fitetehana ny mangahazo aorian' ny famoasana azy. / Teti-panorona: enti-milaza fahakingana sy fahamalinana hamahana toe-javatra misaritaka izay mifaningotsingotra be ihany. / Miray tetika: firaisana amin'ny teti-dratsy. / Tetika iraisana: hevitra ifanarahana. ΒΆ M.h.: Miray tetika, manao tetika iraisana, manao na miray teti-dratsy, manao tetik'emboka, mioko, mitakomba, manao komahaY, miray tsitakomba, miray na manao tsikombakomba, iray petsapetsa, mikomy, mivarilena, mifankahazo resaka, manao volo nglta mifandray tendro, manao kitapo miarapeno, manao kopaka isasahana, manao parasy mitovy vo-Io, manao talapetraky ny mpiaotra, manao akondro mifanakon-dravina, iray kondrikondry, olona iray tetika. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel