Dikan'ny teny : tety

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Aretim-parasisa avy amin'ny mikraoby manokana azo amin'ny fitondran-tena ratsy, ka ny amantarana azy voalohany dia fery kely izay antsoina koa hoe "kobay mafy";mafimafy io fery io ary ny isehoany dia eo amin'ny hoditra sy ny faritra mitsiranorano eo amin'ny ankasarotana ary indraindray aza eny amin'ny vava sy ny molotra. Ahitsio
2 a.: Asa atao rehefa mandalo mandeha eo ambony zavatra manaraka ny lavany: Tsara tety ny faritany tamin' io Solombavambahoaka io. - t.i.f.: Tetezina, atety, voatety, tinety, tafatety / mitety, fitety, mpitety 1 itetezana, fitetezana 1 mifampitety / mahatety / tetezana, - F.-p.: Tety afo: vanja araraka atao mitanjozotra na koa enti-milaza ny feo na ritsodritsoka resahina ombieny ombieny. J Tety afon-kevitra: lahateny apariaka ho ren'ny etsy sy eroa. / Tety hoaka: ilazana ny vavan-drafitra amin'ny varavarambe. / Tety razana: fitantarana ny fiandohan'ny razana niaviana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel