Dikan'ny teny : toetra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Teny enti-milaza ny hevitra sy ny fihetsika ao amin'ny olona iray, izay anisan'ny mampiavaka azy amin'ny hafa: Mahafinaritra ny toetran'i Naiuo fa tsotra sy tia namana izy. • Fandeha: Ratsy ny toe-barotray ka angamba, hakatonay ny tsena atsy ho atsy. / Tsara ny toetran'ny tafika, ? Laharana: Samy tokony hanao fitafiana araka ny toetrany avy. • Fomba, ny maha-izy ny zavatra iray: Ny toetrantsika olombelona. / Samy manana ny toetrany avy ny zavatra rehetra. • Hatsarana na haratsiana: Ny toetran'ny tanimboly. 1 Fipetraka, fitoetra: Manàna toetra maotina. - t.i.f.: Atoetra, tafatoetra 1 mitoetra, fitoetra, mpitoetra / itoerana, fitoerana / mahatoetra / toetoetra 1 toerana. - F.-p.: Toe-baventy: toetr' olon-dehibe. / Toe-bavy: toetra mitovitovy amin'ny an' ny vehivavy, na amin'ny fihetsika na amin'ny fomba fisaina. / Toe-dahy: toetra mitovitovy amin'ny an'ny lehilahy na amin'ny fihetsika na amin'ny fomba fisaina. / Toe-panahy: toetran'nY fanahy, izany hoe: ny fahamendreham-piainana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel