Dikan'ny teny : tohana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zava-miaro tsy hianjera: Asiuo tohana ity rindrina ity sao mianjera. ? Andry iankinana, fiankinana, kiady: Izy no tohan'ny f'tanakauiany. - t.i.f.: Tohanana, atohana, voatohana 1 manohana, fanohana, mpanohana 1 anohanana, fanohanana 1 mitohana, fitohana, mpitohana 1 itohanana, fitohanana 1 mahatohana 1 tohantohana. - F,-p,: Toham-bahiny: ny sakafo omena ny mpandevina manatrika ny fandevenana. / Toham-baliha: ny kapilam-boatavo ipetrahan'ny tahom-baliha. / Toham-boly: ny hazo anohanana sy iankinan'ny hazo mamoa. / Toham-paika: ilazana ny vatom-panorona afindra hanohana ny andaniny. / Tohan' aina: ilazana ny sakafo na ny fitafiana atao famonjena, ny sikina ahodidina ny valahana. / Tohan-kabary: teny alahatra efa misy fandrika mialoha mba tsy hahazoan'ny andaniny mamandrika ny tena amin'izay lazaina. / Tohan-karatra: ilazana ny hazo manohana ny haratra amin' ny tafontrano ary anambarana koa ny safeli-teny amin' ny lahateny izay misy hafetsena hoentina mandresy lahatra. / Tohan'orana: ody atao tsy hiavian'ny orana. Ahitsio
2 a.: Tsy fivalanana. - t.i.f.: Mitohana, fitohana, mpitohana 1 itohanana, fitohanana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel