Dikan'ny teny : tohika

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Di-doha, kiry hanao araka ny heviny ihany: Be tohika Rangahy io ka tsy azo 951 iadian-kevitra. 6 t.i, f.: Tohifina, voatohika, tafatohika / mitohika, fitohika, mpitohika / itohifana, fitohifana / mahatohika. - F.-p.: Be tohika: be kiry, madi-doha. / Tohi-miorika: ilazana ny tsy mankatd sy mafy loha amin-dray amandreny na ny lehibe. j Resy tohika: resy lahatra. / Tsy leo tohika: Tsy manaiky ho diso na dia efa anazavana ny marina aza * Ohab.: Aleo maty reniomby toy izay ho resy tohika: enti-milaza ny olona be didoha tafahoatra ka aleony iharam-patiantoka bevava toy izay ho resy lahatra. ¶ M. h.: Di-doha, hamafy hatoka, hamafy sofina, bohihy, botraika, fitokozihitra, fihenahena, fikiry, fikiribibiana, fikitroka, fikitrohana. — Be tohika, be dohika, kirina, lahy loha, mafy loha, mahery loha, mitompo teny fantatra, malemy maozatra, kizitina, mafy kitroka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel