Dikan'ny teny : tohoka

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Rehefa mety ho fefy atao hanampina rano mandeha ka mahatonga azy hihandrona: Toho-drano, ? Kitay na tain'omby avovona be eo am-patana; fanesehana ny kitay ao am-patana. ? Fihinanana sakafo na fisotroana rano izay tsy alozina fa atao mipetaka avy hatrany amin'ny vava: Zatra ny antoho-jinga ka tsy velon'ny an-kararana (ohab.). - t.i.f.: Tohofana, atohoka, voatohoka / manohoka, fanohoka, mpanohoka / anohofana, fanohofana / mitohoka, fitohoka, mpitohoka / itohofana, fitohofana / tohotohoka. - F.-p.: Toho-jinga: fitondrana ny zinga eo amin'ny molotra mba hisotroana rano. / Toho-tsofina: teny malemilemy, bitsibitsika. / Manao toho-tso fina: mibitsibitsika, milaza tsiambaratelo tsy ho ren'ny hafa. * Ohab.: Zatra manao tohojinga ka tsy uelon'ny an-kararana: enti-milaza olona zatra miadana amin'ny fiainana ka miferin'aina toa tsy ho velona raha tojo toe-java-tsarotra tsy maintsy hihafiana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel