Dikan'ny teny : tohy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavatra anampy zavatra hafa iray mba hahafeno tsara ilay voalohany: Lia-na handre ny tohin'ilay tan-tara aho. •Fampidiran-javatra maro mifanarakaraka amin'ny kofehy na tsora-by: Tohy vakana. 1 Famerenanjavatra na fiverenan-javatra fanindroany indray: Matahotra aho sao hisy tohiny ity ady ity. ? Fanalavana: Ny rambo, hono, dia tohin'ny hazondamosina ihany. / Fohy loatra io tady io ka tsy hahatakatra raha tsy asiana tohiny. 1 Fomba na asa enti-mampitambatra: Ataovy tsara tohy ireo hazo ireo, - t.i.f•: Tohizina, tohizana, atohy, voatohy, tafatohy / manohy, fanohy, mpanohy 1 anohizana, fanohizana / mitohy, fitohy, mpitohy 1 itohizana, fitohizana / tohitohy f mahatohy. ? F.-p.: Tohy lany: enti-milaza fifandimbiasana mitohy lava hatrany. / Tohy loha: ilazana ny lamba izay nampiana ila keliny mifampitohy ny lambanany; atao hoe: "kely ila" koa ny anaran'ny lamba toy izany. / Tohy nonoka: enti-milaza omby matavy hatrany an-dohany ka hatrany am-bodiny. / Tohy vandana: ilazana vakana mitohy ka mifanelanelana fotsy sy mainty. / Tohy uouoka: vovoka mitorajofo mifanesy tsy an-kiato. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel