Dikan'ny teny : tokana

Hampiditra dikany vaovao
1 p. t.: Iray, anankiray, singana: Andriamanitra dia tokana ary tsy mety ho ma-ro Izy. • Irery, miavaka irery, manirery: Trano tokana er? an-tampon-tendrombohitra no ipetrahany. (t Tsy misy afa-tsy izany: Ny fanamboaran-tena tokana no hany raharahany mandritra ny ma-raina tontolo. - t.i.f.: Atokana, voatokana / manokana, fanokana, mpanokana / anokanana, fanokanana / mitokana, fitokana, mpitokana / itokanana, fitokanana / mahatokana / tokantokana / mitokantokana, tsitokantokanana, mitsitokantokana. - F.-p.: Tokam-bolana: tsy be teny fa dia iray iny ihany ary tsy ovana na soloana. / Tokam-bolo: ranoray tsy misy pentina, fa fotsy manontolo na mainty manontolo. / Toka-maso: poa-maso an'ila. / Toka-molotra: haron-tokan-tsosona ny rary nanaovana ny vavany ary tsy mba mizaitra. / Tokam-pilana: 1) enti-milaza ny angely izay afaka ny feny ilany no-ho ny fampiadiana azy -2) ilazana olona izay asa karazany iray monja no ivelomany. / Tokana aman-tany: enti-milaza hatsarana tsy misy mitovy aminy. ¶ M.h.: Tsy misy toa azy, tsy manam-paharoa, safatsiroa aman-tany, tapitra ohatra, tapitra efatra. / Tokan-dambanana: ilazana ny tsihy tokan-dela fa tsy mba mivitrana. / Tokantaolana: taolana iray ihany fa tsy mba roa ny hatotanany; enti-milaza hatanjahana sy hery. / Tokan-tena: entimilaza olona irery tsy ambady tsy an-janaka. / Tokantouo: tsihy tokan-dambanana, tsy mivitrana. / Tokanj•eny: tsy be resaka, na tsy miovaova filaza. / Tokantsisina: enti-milaza ny lamba izay fotsy ny afovoany, fa ny sisiny kosa misy sorany mitsoriaka. ¶ M.h.: Irery, honjohonjo, singana, hany, fotsiny. — Tokan-teny, tokam-po, bontolo fo, tokam-bolana, manontolo fo, be tsy miteny, vitsy teny, jomdka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel