Dikan'ny teny : toko

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ireo biriky na vato tala ipetrahan'ny vilany andrahoana sakafo: Tambino ity toko tapaka ity sao mianjera eo ny vilany. 1 Fizarazaran'ny boky eo amin'ny fandaharana ny lahateny na ny tantara: Toko fahasivy. 1 Fitambaran-javatra efa voatsinjarazara samy hitokana: Ohatrinona ny toko iray amin'ireto voanjo ireto? 6 Tokoana, voatoko, tafatoko / manoko, fanoko, mpanoko 1 anokoana, fanokoana / mitoko, fitoko, mpitoko / itokoana, fitokoana / miantoko, fiantoko, mpiantoko 1 iantokoana, fiantokoana / mahatoko / mitokotoko 1 tsitokotoko, mitsitokotoko. - F,-p,; Mifehy toko: entimilaza olona fatra-piahiahy ny hafa amin'ny hasarotankanina noho izy sarotra ankanina rahateo. / Toko didy: toko natao tamin'ny vatodidy. J Toko falana: ny toerana tsy mahay be toy ny la-ka (amin'ny fanorona) fany an'indrany. J Toko lava: toko fahandroana sakafo mitohitohy. J Tsy toko tsy forohana: 1) nesorina daholo na ny toko na ny forohana, tsy misy na inona na inona; 2) be dia be. J Avo roa toko: ilazana fa niampy roa ohatra ny efa tao, izany hoe: ny iray tonga telo. J Avo telo toko: ilazana fa niampy telo ohatra ny tao, izany hoe: tonga efatra. * Ohab.: Toko telo mahamasa-nahandro: enti-milaza olona na zavatra telo izay fototra ijoroan'ny asa na raharaha iray. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel