Dikan'ny teny : toky

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fanantenana mafy amin'olona na amin-javatra iray: Mibanjina ny ho avy amin-toky. 1 Antoka azo ianteherana: Nanome toky izy fa hanampy ahy raha vao tonga. - t.i.f.: Mitoky, fitoky, mpitoky / itokiana, fitokiana J matoky 1 hatokiana, fahatokiana 1 mahatoky. - F.-p.: Manama toky: mametra-teny. J Fanomezantoky: fametrahan-teny, teny napetraka. / Manary toky: kivy ka miraviravy tanana, rera-po tanteraka. J Matoky tena: sahisahy, be hambo. J Tokim-panompoana: fampanantenana ampahibemaso fa hanoa tanteraka ny mpanjaka na ny mpitondra. J Tokin' aina: fampanantenana avy amin'ny mpisikidy fa tsy ho faty ny marary. / Toky ratsy: fihamboana be loatra, hasahian-doatra. * Fiten.: Ny toky fitaka: enti-milaza teny fampanantenana ahiahina ho tsy tanteraky ny mpanome toky. Ahitsio
2 a. : Mosavy. 6 Tokina, voatoky 1 mitoky, fitoky, mpitoky 1 itokiana, fitokiana 1 mahatoky. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel