Dikan'ny teny : tomboka

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fandentehana angady amin'ny tany; fanapahana (biby na ahitra) main' ny angady; famelezana aminjava-maranitra. - t.i.f.: Tombohina, voatomboka, tinomboka / mitomboka, fitomboka, mpitomboka / itombohana, fitombohana / mahatomboka. - F.-p.: Tombo-doha: famakivakiana ny bainga amin' ny tany voasa, alohan'ny fihosena. J Tombo-drano: fandemana ny bainga amin'ny fampidiran-drano; enti-milaza koa famerimberenana matetika amin'ny zavatra atao.J Tombok'ahitra: tany misy ahitra hamefena voly. J Tombok'orona: ady, famelezana mikendry ny loba toy ny adin'akoho. / Tombo-montsina: ilazana ny olona m¢ay tetika ka manao izay tsy handrenesana ny tenin'ilay mifamaly aminy fa vao miteny dia tsenainy. J Tombopefy: fifamelezana tsy mifampitsitsy amin-java-maranitra; fihinanana mandrapadrapaka er?. / Tombo-tanana: fifamelezana mifanakaiky ataon'ny mpiady samy mitana zava-maranitra. J Tombo-tany: baingan-tany lehibe atao fefy na rindrina. / Tombo-tsira: haninkanina asiana sira manta isaky ny hihinana azy. / Tombo-tsodina: ny loaka mifanao ambaratonga amin'ny sodina; ilazana koa ny fizarana zavatra amin'olona maro arakaraka ny voninahiny. J Trano tomboka: trano vita amin' ny rantsan-kazo nofetaina sy nolalorina fotaka. Ahitsio
2 a.: Fiandohan'asa, fanaovan-javatra voalohany, fisantarana amin'izay atao. - t.i.f.: Atomboka, voatomboka, tinomboka 1 manomboka, fanomboka, mpanomboka 1 anombohana, fanombohana 1 mitomboka, fitomboka, mpitomboka 1 itombohana, fitombohana 1 miantomboka, fiantomboka, mpiantomboka 1 iantombohana, fiantombohana 1 mahatomboka. Ahitsio
3 Tombotomboka a.: Fiampangana olona amin-javatra tsy nataony, endrikendrika tsy marina: Tokony hofadina ny endrikendrika, ny tombotomboka befahatany fa manohitra ny fitiavanamana. i Tombohana, atomboka 1 manomboka, fanomboka, manombotomboka, mpanombotomboka I anombotombohana, fanombotombohana. • F.-p.: Tombo-kalatra: entimilaza ny endrikendrika amin'ny olona tsy nangalatra. / Tombo-teny: fiampangana sy endrikendrika tsy marina. J Tombo-trosa: filazana tsy marina ho manam-bola amin' olona. / Tombo-tsivorivory: fihambohamboana sy toroka hifetsena. Ahitsio
4 a.: Fametahana kase amin'ny taratasy, fametahana marika amin-javatra:Tombo-kase; tombo-kauatsa. - t.i.f.: Tombohina, atomboka, voatomboka, tinomboka 1 manomboka, fanomboka, mpanomboka 1 anombohana, fanombohana 1 mitomboka, fitomboka, mpitomboka 1 itombohana, fitombohana 1 mahatomboka. Ahitsio
5 (Ats) a.: Vary an-tanety ambolena amin'ny tavy ka jinjaina amin'ny fahavaratra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel