Dikan'ny teny : tompo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Olona manana fahefana amin'ny hafa ka afaka hampanao azy ny sitrapony sy mibaiko azy: Tompoko angaha ianao no ndeha handidy sy hibaiko ahy? • Enti-milaza ny olona izay manana ny zavatra iray tenenina: Tsy fantatra ny tompon'ity boky ity. • Entimilaza koa an'Andriamanitra na i Jesoa Kristy: Amin' ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika! ? Fitanana mafy ny hevitry ny tena ho mari-na. - t.i.f.: Tompoana, tompoina, voatompo, tinompo j manompo, fanompo, mpanompo ! anompoana, fanompoana j mifanompo j mitompo, fitompo, mpitompo j itompoana, fitompoana j mahatompo j tompotompo / manompotompo. - F.-p.: Tompoko, tompokolahy, tompokovavy: teny asolo ny anaran'ilay itenenana ho mari-panajana. /ltompokolahy na Ratompokolahy - Itompokovauy na Ratompokouauy: teny fanajana apetraka eo alohan'ny anaran'olona efa maty. / Tompo-marika: jar. marika. / Tompom-bady: ny vadin'ilay olona tenenina izay ma-nana fahefana aminy noho ny hafa. / Tompom-bodiuona: teny hafa iantsoana koa ny tompomenakely fahiny. / Tompom-paty; tompon' alahelo, tompo-manjd: entimilaza ny fianakaviana na ny havana akaiky amin'ilay maty. / Tompon Jato, tompon' arivo: enti-milaza ny mpifehy ny zato, ny arivo na•ny mpitondra faritany ankapobeny. / Tompon-dia: ny mpitari-dalana arahin'ny maro avy aonana. / Tompon-draharaha: ny tonian'ny asa na mpikarakara ny raharaha iray atao. I Tompon-kenatra: ny tompon'andraikitra tsy nahalavorary ny adidiny ka iharan'ny fahafaham-baraka. / Tompon-trano: ny mipetraka ary mizaka sy miandraikitra ny ao an-trano; mifanohitra amin'ny vahiny. / Tompon-tany: ny mipetraka sy monina amin'ny tany iray, mifanohitra amin'ny vahiny mpfavy avy ivelany. / Tompon-tantana: ny mpiandraikitra ny fizarana hanina rehefa misy tantana. * Ohab.: Tompony mangataka atiny: enti-milaza olona tsy manam-pahefana intsony na kely aza amin'ny zavatra efa namidiny - olona iharan' ny tsy rariny amin'ny fananany ka izy tompony indray no mihafihafy mangataka amin'ireo mpandroba na mpifetsifetsy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel