Dikan'ny teny : tonga

Hampiditra dikany vaovao
1 Misia telo lahy hanampy ahy rahampitso. - F.-p.: Misia ange tsy tonga e: fameperana fatratra mba samy ho avy daholo. / Misy azy ny hatezerany, ny hafaliany: ho lehibe aoka izany ny hatezerany, ny hafaliany amin'izay hiseho. / Misimisia ny tahaka itony: teny entina milaza firariana nymba hiverimberenan'ny toejavatra anankiray mahafinaritra matetika. l Misy kely: enti-milaza olona adaladala. ¶ M. h.: Nahafahana, kaondrana, ondranondranana, tango-man, fondrana, baibo. Ahitsio
2 mt. s.: Mby eo amin' ny to:rana iray naleha: Tonga tany Antsirabe tamin'ny sivy i dadatoa • Manjary: Tonga mpanankarena lahy ilay zazalahy kely faniraka fahiny! ? Mody: Tongaua no fo, tompoko, ny sakafo kely narosonay ho anao! ? mt. ih.: Nentina avy amin' ny toerana iray ho eo amin'ny toerana iray: Tongako daholo ny zavatra nohafaranareo. / Indro tongako eto anatrehanareo ireo olona nasainareo nalaiko. 6 tif: Tongavina / mahatonga / fahatongavana, ahatongavana. - F.-p.: Tonga, dia...: avy hatrany dia...: Tonga dia nambanany basY itay sakaiza. / Tonga elatra: àry eiatra. J Tonga fatra: nahafeno ny famarana tsars. / Tonga feo: ilazana ny akoholahy na ombalahy mby amin'ny taona anenoany na itrenany. / Tonga fetra: tratran' ny fetr'andro: Tonga fetra ny trosako any aminao. / Tonga fomba: àry fomba, tsy misy tsy ao ny zavatra rehetra ilaina maha-izy azy. / Tonga fofona: sakafo andrahoina manomboka handrara-pofona. 1 h. o. :Manomboka ho tezitra. / Tonga ha-ka: voky, letra. / Tonga hery: enti-milaza ny ranon-javatra, toy ny ranom-boaloboka hatao divay, izay navela hamorivory ka mby amin' ny fara hery mety hananany. / Tonga lafatra: lavorary tsara. / Tonga marika: vita ara-ka ny drafitra nanaovana azy. J Tonga nany: enti-milaza ny vovo feno hazandrano hatrany amin'ny vavany. ? h. o.: Olona mpanankarena, tremalahy. / Tonga taona: enti-milaza zazalahy na zazavavy efa ampy taona hanambady. / Tonga volana: zaza feno sivy volana tsara tam-bohoka no teraka. / Tsy tonga uolana: zaza teraka alohan'ny fotoana tokony hahaterahany. ¶ M.h.: Avy, tamy. —Tonga, mingadona, miantefa, tafahatra, tafapaka, tody, tafita, tohatra, mby. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel