Dikan'ny teny : tongotra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Rantsambatana entin'ny olona na biby mamindra sy mandeha no sady manohana mampijoro azy: Roa ny tongotry ny olombelona rehetra fa ny an'ny biby kosa misy roa, misy efatra. ? h.o,: Faritra amin' ny tenan'ny zavatra sasantsasany, toy ny fanaka, lavarangana..., izay mitondra azy: Tongo-parafara, tongodavarangana. - t.i.f.: Tongorana, voatongotra, tinongotra / manongotra, fanongotra, mpanongotra / anongorana, fanongorana J mitongotra / mahatongotra. - F,-p,: Tongo-day: tsato-kazo ifatoran'ny lay mitsangana. / Tongo-dauarangana: andry milanja ny lavarangana. / Tongo-drihana: ny tohatra fiakarana mankany ambony rihana. / Tongo-jauona: ilazana ny erikerika manjavozavo izay mirefarefa ambany. / Tongo-kazo: hazo atao solon'ny tongotra tapa-ka, na hazo misy fitoerantongotra ka andehanana misababaka avo be ambonin' ny tany. / Tongo-papango: vy mifaraingo fitazonana ny varavarankely tsy hikapokapoka. / Tongo-takotra: ny fanaingana na fandraisana ny takotra. J Tongotr'olona: enti-milaza ny olona atao fanirakiraka, J Tongo-bak ivak y: tongotra mitriatriatra ary maharary. / Tongo-malady: ilazana ny olona haingampandeha ary fanirakiraka; anarana ilazana koa ny bisikileta. J Tongo-tanany: ny tongotry ny biby roa aloha. / Tongobeny: ny tongony aonana. J Tongo-douia: ny tongotra iray mijoro, ny ilany akarina avonkina. * Ohab,: Tongo-bakivaky: sady maharary no mahamenatra: ilazana toetra ratsy izay sady ahitam-pahavoazana ho an'ny ankohonana no mahafa-baraka amin'ny any ivelany. / Tongotra mby andakana: enti-milaza ny olona efa eo am-pivononana handeha ka saro-miverina. / Sitraka andro anaouana ohatra ny tongotr'omby mihosy: enti-milaza ny olona ankasitrahana, fa amin'ny fotoana anaovany raharaha ihany, fa tsy tsaroana kosa ankoatra an'io. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel