Dikan'ny teny : tonta

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fandrika ahazoana voalavo na totozy: Tontamboalavo. Ahitsio
2 p. t.: Enti-milaza zavatra tsy vao intsony, efa simba. - t.i.f.: Tontaina, voatonta / mihatonta / mahatonta. - F.-p.: Tsy tontan'ny ela: enti-milaza zavatra tsy mora simba, mateza dia mateza. ¶ M. h.: Antitra, tranainy, lany andro, ela niasana, ela nanaovana, maintimolaly, mandalambitaika, rovitra, simba, rombina, taloha, efa navalona, lany mondro. Ahitsio
3 a.: Ankilany, andaniny: Samy nosazin'ny mpitsara izy roa tonta. Ahitsio
4 a.: Fanjerana zavatra atao miavovona. / Vono ataao amin'ny fively na torabato. • Famindrana soratra amin'ny taratasy amin'ny alalan'ny lohavy izay ampidirina anaty lasitra ka terena hipetaka sy hiraikftra amin'ny taratasy; fanaovana biriky amin'ny fampidirana tanimanga ao anaty lasitra. / Fanaovana antontany, fampifanongoavana. - t.i.f.: Tontàna, tontàfana, tontaina, atonta, voatonta, tinonta / manonta, fanonta, mpanonta/ anontàna, fanontàna / mifanonta / mahatonta / tontatonta. - F,-p.: Tonta boka: ilazana ny fametrahan-javatra tsy milamina fa mikorontana sy misavoritaka. / Tontam-parafara: ny hazo mitsivalambalana amin'ny farafara ipetrahan'ny kidoro. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel