Dikan'ny teny : toraka

Hampiditra dikany vaovao
1 ppk.: Tahaka, ohatra: Toraka ny any ny at9. Ahitsio
2 a.: Fandefasana vato amin'ny tanana hahavoa zavatra na olona: Mahitsy toraka io olona io. / Fiantsampazana hianjera any amin'ny hafa. - t.i.f.: Torahana, atoraka, voatoraka, tinoraka / manoraka, fanoraka, mpanoraka / anorahana, fanorahana / mitoraka, fitoraka, mpitoraka / itorahana, fitorahana / mampitoraka / mifampitoraka / miantoraka, fiantoraka, mpiantoraka / iantorahana, fiantorahana / mahatoraka / toratoraka / miantoratoraka. • F,-p.: Tora-bintsy: ny lava-ka eny antenatena hazo ataon'ny vintsy ho akaniny. / Tora-botsotra: enti-milaza vidin-javatra atolotra avy hatrany fa tsy atao trosa. ¶ M. h.: Tolo-botsotra. J Toraka am-pivalanana: fanararaotana hamely ny hafa amin'ny fotoana maha-mora ny anaovana izany. / Toraka iuy: mandeha mijojo ny ranon' ivy. / Tora-jauona: enti-milaza zavom-be maharakotra toerana malalaka. l Tora-jofo: (jofo: vovoka): mipololotra ohatra ny natoraka. / Tora-kouitra: mandeha tsy azo tanana ny hovitra. / Tora-maso: araka izay fitopin'ny maso no amantarana azy. ¶ M.h.: Tomba-maso. / Toramasoandro: famantarana halavan-javatra na habeny na halaviran'ny toerana misy azy amin'ny fijerena ny fandehan'ny fahazavana. / Torapasika: toerana malalaka voarakotra fasika hatrany. / Tora-peta: trano atao amin'ny hazo norarina, ka feta atoraka no andalorana ny atiny sy ivelany. J Tora-tady: mahitsy ohatra ny nosoritan'ny tady nalefa hizotra lava hatrany hatrany. / Tora- tsauatsaua: araka izay fitopin'ny maso manavatsava azy no amantarana azy. Ahitsio
3 a.: Fampitomboana isa iray amin'ny tenany ihany, ka raha ampitomboina indroa izy dia atao hoe toraka roa na tora-droa (oh. 19 x 19 = 192); raha ampitomboina intelo dia toraka telo na tora-telo (oh..19 x 19 x19=193). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel