Dikan'ny teny : tory

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fanesorana ny kiranjavatra hahazoana kofehy. • Fakana ny tadim-baliha amin'ny tenany ihany, na ny tadim-baliha mihitsy: Valiha tory folo. 1 Fandrasana hena izay atao didy vaventy: Torin-kena: hena vita didy vaventy mitsoriaka. ? Soritra enti-manasaraka fari-tanimbary na tanimboly, na ny tanimboly voasarak'io soritra io mihitsy: Mangahazo iray tory. - t.i.f.: Torina,voatorylmitory, fitory, mpitory / itoriana, fitoriana / mahatory. • F.-p.: Tory hisatra: famakivakiana ny hodi-jozoro efa voaendaka araka izay itiavana azy. J Varavarana tory hisatra: lela varavarana nolalarana mitsoriadriaka manaraka ny lavany mitovy elanelana. J Tory kisina: hata-piso, hatak'adala manao lemozy. J Torim-boanjo: tanimboanjo voasoritsoritra lavalava mitandahatra. / Manao torim-boanjo ny.lanitra: flazana ny rahona toa mivongambongana na mitsitokotoko eny amin'ny habakabaka. / Torin'asa: tanimboly efa voasoritsoritra lavalava mitandahatra. / Torin-tany: sa-ha voafefy sy voafaritra. Ahitsio
2 a.: Fiampangana olona iray ho nanao ratsy eo anatrehan'ny antokon-draharahampitsarana.I fi, f.: Torina, voatory, tinory J mitory, fitory, mpitory 1 itoriana, fitoxiana 1 mifampitory / mahatory J toritory. Ahitsio
3 a.: Filazana, fandaharana sy fivoasana ny tenin'Andriamanitra. i tif: Torina, voatory i mitory, fitory, mpitory J itonana, fitoriana. Ahitsio
4 sy Torimaso a.: Fotoana ialan'ny tena manontolo sasatra amin'ny fikimpian'ny maso sy ny tsy fahatsiarovan-tena, ka ny asa tsy miankina amin'ny sitrapo marnelona ny tena ihany no sisa mandeha, toy ny fitepon'ny fo, ny fakana fofon'aina...: Resin-tory aho tamin'ny fijerena sarimihetsika. / Rendrika ao anatin'ny torimaso izy. - t.i.f.: Matory, matoritory, fatory, mpatory i atoriana, fatoriana. - Mahazo tory: rendrika arnin'ny torimaso. / Miari-tory: minia tsy matory no-ho ny antony iray. / Resintory: tsy mahatohitra ny torimaso fa renoka. J Sondriantory: tsy mahatsiaro, tsy taitra amin'ny fotoana tokony hifohazana. J Tory masiaka: torimaso tapatapaka fa misy mpanaitaitra, hany ka milondolondo te hatory ny maso na dia efa mifoha aza. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel