Dikan'ny teny : toto

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Famotipotehana zavatra amin'ny fanazerana misesisesy loha fanoto aminy: Toto uoanjo. 1 Fikosehana ny vary akotry amin'ny fanazerana misesisesy loha fanoto aminy mba hialan'ny hodiny ka hahafotsy azy: Toto vary. + Ny potiky ny zavatra nozerana loha fanoto misesisesy: Toton-tsakay. 1 Famelezan'ny omby na biby hafa amin'ny fisoirany amin'ny tandrony, - t.i.f.: Totoina, voatoto, tonoto / manoto, fanoto, mpanoto / anotoana, fanotoana / mifanoto / mitoto, fitoto, mpitoto / itotoana, fitotoana f mahatoto / totototo, atotototo, voatotototo / mitotototo. - F.-p.: Toto hitsaha: fanosena na fanitsahana ny tongotry ny hafa. / Toto lohalika: sesi-dohalika sy letrezana ao anatin'ny fotoana fohy. / Totom-bazimba: ilazana ny fitotoana vary mifarimbona. / Toton'aretina: ilazana ny faharisarisana mahazo mandritra ny fisian'ny areti-mifindra. / Manao toton'omby bory: enti-milaza ny fanaovana letrezana, na fisisihan a amim-pahamaikana tsy misy hataka andro. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel