Dikan'ny teny : trafo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: 1) Ilay mivohitra eo an-doha soroky ny karazambiby sasantsasany, toy ny omby, rameva, ans... 2) Fivontosana sampona eo an-damosina ka mahavokoka. 1 h,o.: Zava-tsy misaraka amin'ny tena. - F.-p,: Trafon-kena: hena matrafotrafoka sy matavy eo an-doha soroky ny omby. / Trafon'omby: ilay mivohitra eo an-tsoroky ny omby. * Ohab.: Trafon-kena be rano ka hanina amin'ny laxany: enti-milaza ny zavatra tsara nefa tsy ny tokony ho izy no nandrahoana na nanaovana azy — ilazana ny olo-mahay nefa tsy dia manao ahoana akory ny zavabitany. / Trafon-kena ornemahery: am-bava homana, am-po mieritra: enti-milaza ny zava-tsoa avy amin'ny mahery, ka tokony hodinihina ny antony nanomezany azy; enti-manambara koa fa ny olona mahery (lehibe) no omena zava-tsoa, dia mba ho fanairana ny hambom-pony hahavita zavatra araka ny fahamboniany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel