Dikan'ny teny : trano

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Toerana amboarin' ny olombelona hataony fonenana, mipetraka amin'ny fototra, misy rindrina efatra sy varavarana, varavarankely, ary voarakotra tafo: Misy efitra enina ny tranonay. ? h.i.: a) Orin-javatra ataon'ny olombelona na ny biby ho fonenana: Tranomborona, tranon-kala, tranon' omby, tranon-takatra, tranon-tsoavaly. b) Fitoerana fasiana zavatra: Tranon'afokasika, tranom-tsabatra. i t. f.: Miantrano, fiantrano, mpiantrano / iantranoana, fiantranoana. - F,-p.: Maro karazana ny trano: 1) Arakaraka ny fombafomba maha-trano azy, misy ny trano tomboka: trano tsy misy rindrina, na misy fa iva kely foana, ka ny tafony mitombina amin' ny tany; ny trano tsiotsiory: trano nisy rindrina izay na-tao tamin'ny rantsan-kazo madinika na ampanga, ary notemerina tain'omby ny tao anatiny mba hitana hafanana tsara; ny trano feta: tahaka ny trano tsiotsiory fhany, saingy tany no nanaovana azy, izany hoe feta na tany nopetapetahana; ny trano tora-peta: trano natao tamin'ny hazo norarina izay lalorina, atiny sy ivelany, amin'ny feta atoraka; ny trano terilatsy: volotsangana notorotoroina no natao rindriny, ary ny zorony, hazofisaka efa-joro; ny trano kotona: trano hazo avokoa ny tenany. 2) Arakaraka ny fomban'ny tafo kosa, dia misy ny trano tilikambo: izay trano natao avo ka nasiana rihana volotsangana; ny trano hava: izay tsy nasiana rindrina fa zoro sy lavany ary sakany fotsiny mba hipetrahan'ny lohany; ny trano ta-taro: izay trano nasiana ta-fo marin-tampona vonjimaika. 3) Farany, raha ny zavatra anaovana ny trano kosa no jerena, dia ao ny trano tany na trano bongo, ny trano hazo, ny trano vato, ny trano falafa, ny trano zozo-ro na trano rindrina ary ny trano lay. * Ohab.: Aza mitoto vary an-trano fohy loha: tokony hitsinjo izay mety ho vokatry ny atao, fa tsy hanaonao foana. / Tao trano tsy efan' irery: zava-dehibe tsy vita raha tsy ifanampiana. / Velona iray trano, maty iray fasana: enti-rnilaza ny tsy fisarahamianakavy. J Trano ben'Antananarivo ka izay mahavita aloha manenina: enti-milaza fifaninanana antoky ny fandrosoana. J Antananarivo no tsara trano ka Ivakiniadiana no sola vantony: ny soa ho an'ny sasany indraindray mitarika fahavoazana ho an'ny hafa. ¶ M.h.: Ambohimanambola no matavy omby ka Antananarivo no lido kitay. Trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo: na dia mahantrahantra aza ny tokantrano, rehefa misy zavamamy ao, toy ny fifankatiavana izany na zavatra hafa mahahenika ny fo, dia ampy hahasambatra ny mitoetra ao. J Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hiaiofana: enti-milaza ny fifanampian'ny mpifanolobody rindrina. J Toy ny trano vaky vovonana ha mitondra teny mivoaka: ilazana izay tsy mahatam-bava ka milazalaza any ivelany izay tsy tokony ho fantatry ny olona. / Amoron'ala tsy manantrano be: matetika izay ma-nana ny ilaina rehetra mba hananan-javatra iray indrindra no tsy manana an'io zavatra io, na noho ny tsy firaharahan-tena na noho ny fikokorany hitady vola ka ny tenany indray no tsy tsaroany. J Lasa mpifosa vao mifafa trano: efa hitan'olona kilema vao taitra mitady hanatsara toetra. J Ny olona no maha-trano ny trano: tsy dia ny vatan-trano loatra no inona ao an-tokantrano, fa ny olona monina ao. J Aza manao vazaha fito an-trano: aoka tsy hitady handidididy daholo ao an-trano. ¶ M.h. ifandraisany: Akany, tohotra, toho, votry, ambotry, lavaka, bongo, zohy, akora. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel