Dikan'ny teny : tratra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Faritry ny vatana eo anelanelan'ny soroka roa, ny vozona ary ny kibo, misy ny havokavoka sy ny fo. - F.-p.: Vaky tratra: torovana izaitsizy ka ohatra ny misasaka roa ny tratra. J Tratran-gisa: enti-milaza ny olona mitringitringy ny taolantratrany. / An-tratra: enti-milaza zavatra novononina hanoloana ny lany na hitsinjovana izay mety ho tonga. / Manao an-tratra: manomana mialoha izay hasolo ny lany na hitsinjovana izay mety ho tonga. Ahitsio
2 p.t.: Enti-milaza olona na zavatra mandeha eo aloha ka enjehin'ny hafa avy ato aoriana ary tonga eo aminy ilay io: Tratrako haingana teny an-dalana izy. ? Azo: Tratrako am-body omby ilay nangalatra ny birikiko. ? Tampohina, sovohina: Tratran'ny orana teny an-tsaha aho. 1 Takatra: Mbola„tsy tratran'ny saiko izany. ? Tonga:Tratrako an tsasak 'adiny amin'ny aotomobilina A ntsaha firaisana. - t.i.f.: Tratrarina, voatratra 1 manatratra, fanatratra, mpanatratra 1 anatratrarana, fanatratrarana / mankatratra, fankatratra, mpankatratra 1 ankatrarana, fankatrarana J mahatratra J ahatrarana, fahatratrarana, fahatrarana. - F. -p.: Izaitratra: be dia be. / Mahatra-po: mahatratra na mahavonjy ny faharerahana, ny hanoanana. J Tra-basy: takatry ny balam-basy. / Traboina na tra-doza: voan'ny loza. / Tra-bonjy: voavonjy ara-potoana ka tsy tratran' ny loza. / Tra-danosina: enti-milaza rano izay mety ho tratra amin'ny filomanosana raha hiampitana. J Tra-drasa, atao tra-drasa: biby efa toa ho faty — na noho ny aretina na noho ny loza nahazo azy — ka vonjena vonoina haingana mba hohanina na hamidy. / Tra-maso: ?itan' ny maso jerena J Tra-tehaka: azo eo am-panaovana ratsy na eo am-pangalarana mihit'sy. ¶ M. h.: Azo an-tanana, azo olan-tanana, tratra am-body omby. / Tra-toraka: akaiky mety ho tongan'ny vato atoraka. J Tratr'andro: tsy tafafoha maraina fa efa mazava vao taitra tamin'ny torimaso. J Tratra antitra: ela velona sy maro andro niainana. / Trara antitra: teny fanaovam-beloma sy fixariana ho tratra antitra anie. / Tratra antso: enti-milaza olona mety ho takatry ny antso atao — enti-milaza koa ny efa voaheloka ho faty, nefa nahazo famindram-po ka tsy novonoina indray. J Tratra aoriana: diso fotoana, tsy tonga ara-potoana. J Tsy tra-drano: ilazana olona maty tampoka sy vetivety noho ny voina nahazo azy. J Tsy tra-maso mipy: haingana dia haingana, tsy hita hojere-maso akory. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel