Dikan'ny teny : trondro

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Karazana hazandrano somary fisapisaka, ny tenany rakotra kira masaisa? ary manam-pitaovana ahafahany mihetsika ao anaty rano: vombony iray ao an-damosiny, fivoy milaha-droa eo ambany tratrany sy ambany kibony, fivoy iray indray ao am-poto-kibony, ary ny rambony, izay mikapoka miankavia sy miankavanana rehefa mitsoriaka izy; misy karazany roa ny trondro: ny trondron-dranomamy sy ny trondron-dranomasina; manatody ny trondro amin'ny fararano, izay foy amin'ny voalohandohan'ny ririnina. Anisan'ny tsara sy matsiro ny trondro;laokandrano, lao-ka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel