Dikan'ny teny : trosa

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Volan'olona any amin'ny tena mbola tsy maintsy haloa: Tsy mahaloa ny trosaho ianao ka hotoriko, • h.o.: Adidy tsy maintsy ha-tao na hotanterahina; zavatra tsy maintsy hatao; fankasitrahana: Anananao trosa aho tamin'ny namonjenao ahy. i tif: Trosaina, voatrosa / mitrosa, fitrosa, mpitrosa / itrosana, fitrosana / mahatrosa ) trosatrosa. - F.-p.: Afa-trosa: nahaverina ny trosan'olona — entimilaza koa ny zazalahy voafora. / Maka trosa: mividy zavatra izay any aoriana vao haloa ny vidiny. / Mamela trosa; mahafoy trosa: tsy mitaky trosa any amin' olona intsony fa heverina ho efa isan'ny voaloa. / Mandoa trosa, manefa trosa: Mamerina ny vola trosa, mandoa ny vola nosamborina. / Mitaky trosa: mandidy ny hamerenana ny trosa. / Mitrosa entana: mangataka andro amin' ny fandoavana ny vidiny. / Raihi-trosa: ananan'olona trosa ka tsy mahaloa. / Sahan-trosa: fandoavana ny sasany ihany amin'ny trosa, fa ny sisa angatahana andro la-va (io koa ilay atao hoe: "lefalàny na lefilàny"). / Verintrosa: enti-milaza ireo olona tsy nahaloa volan'olona taloha ka tonga narnidy ho andevo. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel