Dikan'ny teny : tsaho

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Teny na resaka mandeha mitety hatrany, izay tsy mbola voafototra na marina na tsia; vaovao tsy fanta-pototra heno miely ombieny ombieny: Mandeha ny tsaho fa hody daholo, hono, ny Vazaha. - t.i.f.: Tsahoina, voatsaho ( manatsaho, fanatsaho, mpanatsaho ( anatsahoana, fanatsahoana / tsahotsaho. - F.-p.: Mamoron-tsaho, manangan-tsaho: mamorona teny mandeha tsy marim-pototra. / Manely tsaho, mampiely tsaho: manaparitaka tsaho, mampiely honohono tsy voamarim-pototra. ¶ M.h.: Sahoa, siosio, honohono, tsahotsaho, vaovao, resaky ny olona, tohono, fosafosa, ketsoketso. —Manely tsaho, mampiely tsaho, mihono, manangan-tsaho, mamoron-tsaho, manao tsy liantsofina, manao fary mitety reny, ma-bdlana ilàlana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel