Dikan'ny teny : tsangana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fijoroana; ny bika eo am-pijoroana; haavo; halava hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha. - t.i.f.: Atsangana, voatsangana, tafatsangana / manangana, fanangana, mpanangana I anangànana, fanangànana 1 mitsangana, fitsangana, mpitsangana / itsanganana, fitsanganana 1 mahatsangana / tsanganana, tsangantsangana. - Tsangambato: vato najoro ho fahatsiarovana ny maty an'ady na izay tsy tonga ao am-pasan-drazana na very faty. / Tsangambava: lovia kely lalina aty fasiana rony, atao koa hoe: tsatokaty. / Tsangam-boasary: lalao natao hilokàna taloha ka izay mahavoa ny zavatra napetraka, toy ny voasary, vo-la, akoho... no mahazo. / Tsangan'afo: marika atao amin'ny tanàna iray mba hamantaran'ny tanànamanodidina fa misy loza mahazo. / Tsangan-kevitra: foto-kevitra ijoroana. / Tsangan'olona: 1) anaram-bola farantsa volafotsy izay misy sarin'olona telo mitsangana; 2) olona ajoro fotsiny ho solon'ny hafa fa tsy manam-pahefana na tompon'andraikitra. / Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel