Dikan'ny teny : tsara

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Mahafinaritra jeu-na: Tsara izany raha trano, 1 Manana toetra maha-izy azy: Fanjaitra tsara. * Manana toetra takin'ny raharahany, mahafatra-po: Mpampianatra tsara; renim-pianakaviana tsara, • Manana ny toetra ilaina ara-pitondran-tena; tsy misy hokianina: Olona tsara Rakoto. ? Vita tomombana ka mahatonga higàga; kanto: Tsara izay lahateny nataon-dRakoto izay! • Soa, mahasoa: Tsara ny heuitra nomeny ahy. • Mahomby, mahasoa, misy vokany: Fanafody tsara; famaizana tsara. 1 Mety: Tsara ny mangina raha misy miteny. i t,if: Hatsaraina, voatsara 1 manatsara, fanatsara, mpanatsara / anatsarana, fanatsarana / mahatsara I mihatsara 1 hatsara, hatsarana, fahatsarana. - F.p,: Manao tsara ihany Andriana: fiarahabana fanao amin'ny mpanjaka. / Tsara fanahy: enti-milaza toetra mendrika, malemy fanahy ary manana fandavan-tena hanasoa ny hafa. / Tsara fa tsy angatra: filazana fa tena tsars fa tsy fanatsarana fotsiny. / Tsara fo: ilazana ny olona miramirana, tsy mba tezitezi-poana ary mora mamela ny hadisoan'ny sasany taminy. / Tsara tany: ilazana ny olona tsy miadiady amin'ny hafa ka tian'ny mpiara-monina. / Tsara va, Tompoko: fiarahabana fanao raha Andriana ilay arahabaina. / Veloma soava tsarà: sady fanaovam-beloma no firarian-tsoa. ¶ M.h.: Tsara fanahy, malemy fanahy, malemy paika, mazava fo, mazava saina, tsopo, antra olona, be indrafo, malala-tanana, mora hatonina, mora hiraharahana, mamy hoditra, mahafoy tena, be fahafoizan-tena, mahay mandray olona, mahay olona, manana hatsaram-panahy, tsara toetra, olo-marina, olom-banona, fototr'olona. — Tsara tarehy, meva, noro, mahafinaritra, mahafatifaty, misy endrika, mahatehotia, hafa kely, baondy, loditra, sady taviny no volony. Ahitsio
2 a.: Fanaovana izay hahafantarana ny marina, ny rariny; famakafakana sy fandanjalanjana atao mba hanavahana ny marina sy ny dise, ny tsara sy ny ratsy; fanapahana, fanelanelanana amin'ny olona miady. - t.i.f.: Tsaraina, voatsara 1 mitsara, fitsara, mpitsara 1 itsarana, fitsarana I mahatsara 1 hatsarana 1 fampitsarana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel