Dikan'ny teny : tsena

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Toerana fivorian'ny olona hividy sy hivarotra, ka hahitana ny zavatra rehetra Raina amin'ny fiainana toy ny hanin-kohanina, lamba, akanjo, fitaovana ilaina amin'ny tokan tran o.,. sns...: Fihaonana no anaran'ny tsena taloha fa Andrianampoinimerina no vao nanome azy io anarana hoe tsena io. - t.i.f.: Miantsena, fiantsena, mpiantsena / iantsenana, fiantsenana ! mitsena, fitsena, mpitsena / itsenana, fitsenana. ? F.-p.: Voan-tsena: zavatra entina avy any an-tsena ho an'ireo zaza tsy mba nandeha tany (jer. voan-dalana). / Tsena kely: trano fivarotana misy ny kanonkanona ilaina. / Tsena lava: ny tsena ivarotana isan'andro, mifanohitra amin'ny tsena isan-kerinandro izay indray andro amin' ny herinandro ihany vao misy. / Tsena malahelo: tsena atao amin'ny toerana hafa noho ny fisaonana ny mpanjaka. / Fara tsena: ny tsena aloha kelin'ny fandroana na ny taom-baovao. * Ohab.: Malahelo monina amoron-tsena: be sitra-po fa tsy ampy fanaovana: entimilaza ny olona mahita sy maniry zavatra tsara isankarazany nefa tsy maharaka ny faniriany ny vola ananany, ka mipetraka ho faniriana fotsiny ny fitiavany ha-nana. Ahitsio
2 ft.: Fandraisana (vahiny na havana na olo-manankaja) eo am-pahatongavana. i t.i.f.: Atsena, tsenaina, voatsena / mitsena, fitsena, mpitsena 1 itsenana, fitsenana / mifampitsena / mifanena 1 ifanenana, fifanenana / mahatsena. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel