Dikan'ny teny : tsentsina

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Zavatra entina hanampenana loaka na vava lavaka na vava tavoahangy, tampina: Afaka ny tsentsintavoahangy. 1 p.t.: Misy zavatra manampina: Tsentsina ny fantsona ka tsy mandeha ny rano. 1 Misy zavatra misakana: Tsentsina ny lalana. • Feno dia feno: Tsentsina ny tranonay. 1 Tototra: Tsentsin'ny raharaha aho ka tsy afaka handray o?ona. - t.i.f•: Tsentsenana, atsentsina, voatsentsina, tsinentsina, tafatsentsina 1 manentsina, fanentsina, mpanentsina / anentsenana, fanentsenana 1 mitsentsina, fitsentsina, mpitsentsina 1 itsentsenana, fitsentsenana 1 mahatsentsina f tsentsintsentsina. - F.-p.: Tsentsim-pano: entimilaza fialan-tsiny hiarovana ny tena amin'ny fiampangana ny hafa. / Tsentsin-davaka: olona omena izay raharaha na toerana rehetra banga fa tsy natao ho an'ireo toerana ireo akory, / Tsentsindoloha: fanomezana vola na vary hanampiana ny tompomanjo amin'ny lany eo ampandevenana. / Tsentsin-drano: izay atao hanampenana ny toha-drano. / Tsentsintenany: ilazana ny tsentsfntavoahangy izay tsy mba misy bosoa fa tamaboha ohatra an'ilay tavoahangy ihany, / Tsentsin-tsy omby: saron-javatra na tsentsina lehibe no-ho ilay tsentsenana ka tsy omby. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel