Dikan'ny teny : tsidika

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Karazan-gidro madinika (Cheirogaleus milii). Ahitsio
2 a.: Fisehoan'ny loha eo am-baravarana nefa tsy miditra ny tena; famangiana miserana; ilazana koa ny fandalovana amin'ny tanĂ na iray dia lasa fa tsy mijanona ela. - t.i.f.: Tsidihina, atsidika, voatsidika, tafatsidika/ mitsidika, fitsidika, mpitsidika / itsidihana, fitsidihana / mahatsidika, tsiditsidika. a F,-p,: Tsidi-pahitra: 1) famangiana miserana fotsiny mba hahazoana milaza hoe efa nitsidika; -2) tsirambina amin'ny zavatra atao (avy amin'ny tsy fahavarana mijery ny fahitra misy ny omby isan'andro fa indraindray ihany). / Manao tsidi-pahitra: mamangy miserana kely toa alasafay fotsiny; manao tsirambina ny asa na raharaha atao. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel