Dikan'ny teny : tsilaolao

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Kilalao madinika natao hanarian-dia sy hialana voly: Ny kindriandriana dia tsilaolao natao ho an'ny ankizivauy kely. ? Kilalao amin'ny hevitra an' ohatra: Tian'ny Ntaolo ny manao tsilaolaon-teny, toy ny hoe: "Nitady tombony ka natombiny". (Tsara homarihina ny mahasamy hafa ny lalao, kilalao ary tsilaolao. Ny lalao dia teny ilazana fanarian-dia sy fialam-boly: Labo tian'ny Merina fahiny ny daka na diamanga; ny kilalao: zavatra entina milalao na miala voly: Kilalao tian'ny ankizilahy ny kanety; tsilaolao: entimilaza kilalao madinika na lalao amin'ny hevitra an' ohatra araka ny voalaza etsy ambony). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel