Dikan'ny teny : tsinay

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Organa fototr'aina ao anatin'ny tenan'ny olombelona (ny kibo), izay toy ny fantsona mamoaka ny fakan-tsakafo tsy levona; mivoaka avy eo amin'ny vavony ny tsinay ka miafara any amin'ny vavafivalanana; mizara roa izy io dia ny tsinaikely (6-8 m ho an'ny olombelona) ary ny tsinaibe (1,40 m - 1,70 m). - F.-p.: Tsinaim-potsy: ny tsinain' omby. / Tsinain-dahiny: ilay faritra miolikolika amin'ny tsinain'omby. I Fotsy tsinay: tsy nihinan-kanina, noana. / Mifanapa-tsinay: ilazana ny mpirahalahy na mpirahavavy na mpianadahy iray tam-po, iray reny niteraka. / Tsinay homana aty: mamely ny iray tam-po amin'ny tena na ny ankohonana. * Ohab. : Fotsy tsinay manantiana: noana fa natakalo fitiavana ny fahavokisana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel