Dikan'ny teny : tsindriana

Hampiditra dikany vaovao
1 (tsindry) mt. ih. (tsindrio): Terena avy ambony amin'ny lanjan'ny tena: Tsindrian-dRangahy ity lahy ny satroko! 1 Asiana zavatra mitambesatra aminy avy eo ambony: Tsindriana vato ny tsihy misy vary ahahy. / h,o.: Ampiana: Tsindrio roa lahy ireo mpiasa ireo raha tianao ho vita haingana ny raharaha. / Tonena: Tsindrio ihany ny fo indraindray mba tsy ho tezitra tafahoatra. - F.-p.: Tsindrian-daona: tsy mahapetraka fa dodona, mai-ka. / Tsindrian-javatra: toa misy fanahy manelingelina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel