Dikan'ny teny : tsipetrika

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Volotsangana mitovy habe amin'ny valiha: 1 metatra sy sasany ka hatramin'ny 6 metatra ary velesina amin'ny tsorakazo kely anankiroa: olona maromaro no indray mively ka samy manana ny fipailrany avy ary dia tahaka ny tehak'olona zato any ho any ny feony. Misy fomba telo fampiasana azy: apetraka amin'ny tany, ka mipetraka amin'ny tany ny mpively azy — asiana tsatoka roa hiantonany ka mitsangana ny mpively azy — tazonin'olon-droa (iray avy isaky ny tendrony) ka mahazo mamindra na manao fihetsehana ny mpively azy. Saika fampiasa hatraiza ha-'traiza izy ity fa ny anarany no samy hafa: Tsikaretika (Antsiranana). Karatsaka (Soalala), Kimbolo (Antsohihy), Peripetika (Betsimisaraka). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel