Dikan'ny teny : tsodrano

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: (taloba) Rano nafafy tamin'olona na natao tao am-bava dia notsofina hifafy aminy, ka ny nofafazana tamin'io rano io indrindra dia ny olona marary na ny handeha hivahiny lavitra (ilay tsodrano natao tao am-bava dia natao koa hoe ranom-bavaka) — (ankehitriny) 1) firarian-tsoa heverina ho manan-kery, avy amin'ny olon-dehibe na ray amandreny:Omeo ny tsodranonao aho, ry dada, fa hanambady, ~ Vola kely omena ny tompon-draharaha ho maripihavanana raha misy hasoavana, fanambadiana: Manatitra tsodrano. 1 t, i f.: Tsofin-drano, voatsodrano 1 mitaodrano f itsofan-drano, fitsofan-drano. ¶ M. h, : Ranombavaka, firarian-tsoa. Anaran'ny vola ampiarahina amin'ny tso-drano: Rom-patsa, patsan'ny mpifana, tsodranon-jaza, fenakoho, vodiakoho, zara fihinanana, fanaovam-beloma, fandraisantanana, ro mafana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel